FIER MADA : Fihavanana no mampan-karena ny tantsaha.

Tantsaha avokoa ny ankamaroan’ny Malagasy ary ny fambolena sy ny  fiompiana no foto-piveloman’ izy ireo. Hampiroboroboana ny fiharian-karenan’ny tantsaha , mikarakara hetsika foana ny Fier Mada  isan-taona. Hotanterahina ny alarobia 05  ka hatramin’ny Alahady 09  Aogositra 2015 ho avy izao  ao amin’ny Stade annexe Mahamasina ny andiany faha-17.

Lohahevitra nipoitra tamin’ny laom-bary an-dasy tamin’ny 2014 no voizina amin’ity andiany ity:  »  Fihavanana marina arindran’ ny tetikasa rehetra eto Madagasikara hampanan-karena ny mpamokatra ».Voambaka tanteraka ireo tantsaha  satria nohararaotina ny fihavanana. Tsy mifanaraka amin’ ny vidin’ ny vokatra akory ny angalan’ ireo  mpamory vokatra ny entana.

Fiaraha-miasa amin’ ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Jono ary ny Asa tanana ity hetsika ity. « Afaka mahaleo tena ara-tsakafo isika », hoy ny Filohan’ny FIER MADA, Jacques Ramanantsoa. hanamporofoana izany ity hetsika ity. Vokatra maro  no haranty amin’ io fotoana ka 310 no handray anjara amin’ izany. Hisy ihany koa fampisehoana ireo fomba famokarana mifanaraka amin’ ny fiovaovan’ ny toetr’ andro hanampiana ireo tantsaha mandritra ny dimy andro.

Amin’ ny fanokafana, maimaim-poana ny fidirana hatramin’ny 12 ora atoandro, aorian’ izay  kosa dia 1000 Ariary mahatafiditra lehibe iray sy ankizy roa.

Marihina fa  50.000 ny mpitsidika handrasana amin’ ity andiany ity.

Lynda A.