« Manampy ireo tantsaha marefo no tena tanjon’ ny hetsika », hoy ny filohan’ ny Fier Mada. Sehatra ahafahan’n izy ireo mampivelatra sy mapiroborobo ny hari-karenany izany ary entina ihany koa hanatsarana ny teknika eo amin’ ny sehatry fambolena sy fiompiana, asa-tanana ary ny famokarana.
Nisy ny laom-bary an-dasy notontosaina nandritra ny hetsika ka nifampizara ny olana sedrainy ireo tantsaha ary nikaroka vahaolana. Nivoitra tao ihany koa ny fa ny firaisan-kina amin’ ny alalan’ ny fiofanana na fampitomboina fahazaina no hampiroboroboana ny fiharian-karenan’ izy ireo.
Nisongadina tamin’ ity andiany faha-17 ity ny fitsidihan’ ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina niaraka tamin’ ireo Minisitra mpiara-miasa aminy tamin’ ny famaranana. » Sambany amin’ ny tantaran’ ny Fier Mada no nisy Filohan’ ny Repoblika nitsidika ny hetsidika sy nitafa tamin’ ny tantsaha ». NIaloha lalana ny Filoha ny Praiminisitra ka ny andro faharoa no nahatongavany tany. Niantso ny tantsaha hihaona aminy eny amin’ ny Lapan’ ny Mahazoarivo mihitsy izy. Omaly ny fotoana voatondro ary hampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra no vontoatiny dinika amin’ izany.
Fananganana sendikan’ ny tantsaha no vina manaraka ho an’ ny mpikarakara ary amin’ ny andiany faha-18 no iriana hanatontosaina izany.
Lynda A.
Zany ve,d fier zn v nj!