FIER MADA : Sambany nisy Filoham-pirenena Malagasy nitsidika.

Fandresena lehibe ho an’ ny mpikarakara ny tsenaben’ ny tantsaha ny  Fier Mada andiany faha-17. Nanomboka ny alarobia 05 aogositra teo izany  ary nifarana ny alahady  teo amn’ ny Stade Annexe Mahamasina. Tratra ny tanjona, hoy ny Filoha mpikarakara ny hetsika, Jacques Ramanantsoa. Niakatra 45.000 ny mpitsidika raha 35.000 izany tamin’ ny herintaona. Nitombo ihany koa ny mpandray anjara tamin’ ity andiany ity, satria lasa 340 ary nisy solontena avy ny faritra 22.

« Manampy ireo tantsaha marefo no tena tanjon’ ny hetsika »,  hoy ny filohan’ ny Fier Mada. Sehatra ahafahan’n izy ireo mampivelatra sy mapiroborobo ny hari-karenany izany ary entina ihany koa   hanatsarana ny teknika eo amin’ ny sehatry fambolena sy fiompiana, asa-tanana ary ny famokarana.

Nisy ny laom-bary an-dasy notontosaina nandritra ny hetsika  ka nifampizara ny olana  sedrainy ireo tantsaha  ary nikaroka vahaolana. Nivoitra tao ihany koa ny fa ny firaisan-kina amin’ ny alalan’ ny fiofanana na  fampitomboina fahazaina no  hampiroboroboana ny fiharian-karenan’ izy ireo.

Nisongadina tamin’ ity andiany faha-17 ity ny fitsidihan’ ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina niaraka tamin’ ireo Minisitra mpiara-miasa aminy tamin’ ny famaranana.  » Sambany amin’ ny tantaran’ ny Fier Mada no nisy Filohan’ ny Repoblika nitsidika ny hetsidika sy nitafa tamin’ ny tantsaha ». NIaloha lalana ny Filoha ny  Praiminisitra ka ny andro faharoa  no nahatongavany tany. Niantso ny tantsaha hihaona aminy eny amin’ ny Lapan’ ny Mahazoarivo mihitsy izy. Omaly ny fotoana voatondro ary  hampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra no vontoatiny dinika amin’ izany.

Fananganana sendikan’ ny tantsaha no vina manaraka ho an’ ny mpikarakara ary  amin’ ny andiany faha-18 no iriana hanatontosaina izany.

Lynda A.