“Fotoana fohy no nitantanan’i Harilala Ramanantsoa ny tanànan’Antananarivo Renivohitra dia efa hita ny ezaka nataony”, hoy i Rafidimanana Désiré, Filoha mpanorina ny Fikambanana Tanora Miandrandra ny Ho avy (TMH) sady solombavambahoakan’i Madagasikara. Nanao fanambarana ny fikambanana ny alarobia 13 novambra 2024, tao amin’ny PK0 Soarano fa “manohana ny kandida laharana fahafito (7), ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra”. Nambaran’i Rafidimanana Désiré fa kandida tokana natolotrin’ny vovonana Isika Rehetra Miaraka amin’ny Andry Rajoelina i Harilala Ramanantsoa ary izy irery no kandida vehivavy ho an’Antananarivo Renivohitra. “Renim-pianakaviana izy ary ny vehivavy no ravaky ny tokantrano, mahay mandamina, tsy mitady tombontsoa afatsy ny ao an-tokantrano ka mendrika omena azy ny fahefana hitondra ny tanànan’Antananarivo. Resy lahatra izahay ka manohana azy tsy misy fepetra. Azo antoka fa hitondra fampandrosoana izy”, hoy hatrany ity solombavambahoaka voafidy tao amin’ny boriborintany fahaefatra ity. Tonga nanotrona ny fanambarana nataon’ny TMH ireo solontenan’ny mpikambana manerana ny fokontany 192 ary nanatrika izany ny kandida laharana fahafito, Harilala Ramanantsoa.
Lynda A.