Fihaonambe ny HVM: Maro ny Antoko politika miara-miasa aminy

Tanteraka soamatsara ny fihaonambe ny HVM na Hery Vaovao ho an’I Madagasikara ny 20-21 ny Desambra 2014. Fanamafisana ny fijoroan’ny antoko isam-paritra no vaindohan-draharaha nandritra ny fihaonambe. Teo ihany koa ny fametrahana ny ratsa-mangaika manerana ny Nosy. Fikarakarana ny fifidianana Ben’ny Tanana amin’ny volana jolay 2015 no tena tanjona amin’izany. Maro ireo antoko politika tonga namaly ny fanasan’ny HVM. Vonona hiara-hiasa amin’ny antoko moa ireo vondrona politika hafa amin’ny fifidianana Ben’ny Tanana io. Nohararaotin’ny Filoha Nasionaly ny HVM Atoa Rivo RAKOTOVAO ihany koa fa miha-mandroso ny lalana mankany amin’ny fampihavanam-pirenena.

Minisiteran’ny fitaterana: Nanolotra fanomezana ho an’ny mpiasany

Amin’izao ankatoky ny fety izao, nizara fanomezana ho an’ ny mpiasa ny Minisiteran’ny Fitaterana. Hetsika fanaon’ny Minisitera isaky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izany. Tamin’ity indray mitoraka ity dia niavaka tokoa ny fanomezana toy ny vary iray gony, gisa matavy ary kilalao ho an’ny ankizy latsaky ny 12taona, nozaraina isaky ny mpiasa.

Hirariana mba ho tsara sy hisongandina tahaka izany ny asa ataon’ny Minisitera amin’ny taona ho avy.

Lynda A.