Andraikitra iray tsy maintsy raisin’ny orinasa ny fikajiana ny tontolo iainana manoloana ireo fako sy akora tsy ilaina fa indrindra ny rano maloto misy akora simika. Ho an’ny MANDA SA, ny hazandranomasina no tena kirakirain’ny orinasa ka betsaka amin’izy ireny no tsy ilaina. Teraka teo ny fiaraha-miasa tamin’ny Centre National de Recherche sur l’Environnement (CNRE). Vokatry ny fikarohana, azo ahodina ho lasa zezika ny “carapasse de crabe”. Ankoatra izany, azo anadiovana ny rano maloto ny “chitosane” ao amin’ity akora tsy ilaina ity.
Betsaka ny voka-pikarohana eto amintsika. Tsy ampy ny tosika ahafahana mampihatra azy ireny. Vahaolana iray amin’ny famoronana asa anefa izany. Ho an’ny MANDA izao, manana vina hanodina ireo akora tsy ilaina avy amin’ny hazandranomasina ny orinasa.
Andrianomenjanahary Tolotra liked this on Facebook.
Rojoniaina Irma Soarivelozafy liked this on Facebook.
Nyrsuh Felana liked this on Facebook.