FIKAJIANA TONTOLO IAINANA: Vokatra azo avy amin’ny “carapasse de crabe”, vahaolana hanadiovana rano maloto.

Andraikitra iray tsy maintsy raisin’ny orinasa ny fikajiana ny tontolo iainana manoloana ireo fako sy akora tsy ilaina fa indrindra ny rano maloto misy akora simika. Ho an’ny MANDA SA, ny hazandranomasina  no tena kirakirain’ny orinasa ka betsaka amin’izy ireny no tsy ilaina. Teraka teo ny fiaraha-miasa tamin’ny  Centre National de Recherche  sur l’Environnement (CNRE). Vokatry ny fikarohana, azo ahodina ho lasa zezika ny “carapasse de crabe”. Ankoatra izany, azo anadiovana  ny rano maloto  ny  “chitosane” ao amin’ity akora tsy ilaina ity.

Betsaka ny  voka-pikarohana  eto amintsika. Tsy ampy ny tosika ahafahana mampihatra azy ireny. Vahaolana iray  amin’ny famoronana asa anefa izany.  Ho an’ny MANDA izao, manana vina hanodina ireo akora tsy ilaina avy amin’ny hazandranomasina ny orinasa.