Nanatevin-daharana ny hetsika “tagnamaro”, nokarakarain’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ny 27 aprily 2019 ny fikambanana Ivoarana. Ny adidy tsy an’olon-dratsy, araka ny fomba fitenenana ka izany indrindra no mahatonga fikambanana mandray anjara amin’ny hetsika rehetra, indrindra amin’ny hetsika mitondra mankany amin’ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny filoha nasionalin’ny fikambanana, Rasolondraibe Todiveloniaina.
Nanadio sy nikiky ny dabilio ny mpianatra ny anjara asan’ny fikambanana nandritra ny hetsika “tagnamaro”. Nanamboatra ireo dabilio simba ihany koa. Nanome toky ny filoha nasionaly fa handray anjara hatrany amin’ny “tagnamaro” ho tanterahina eto Antananarivo. Mety handray anjara ihany koa izahay any faritra amin’ny alalan’ny ratsa-mangaikanay, hoy izy.
Fikambanana mpanao asa sosialy ny Ivoarana. Tamin’ny taona 2009 no niforona ara-dalàna. Ho an’ny fampivoarana tena izy an’i Madagasikara ny teny filamatry ny fikambanana. Tsiahivina fa nanome fanampiana ho an’ny olona sahirana eny amin’ny faritra Ambolokandrina ny fikambanana Ivoarana tamin’ny fetin’ny Paska farany teo.
Lynda A.