Ny fampanan’asa ny vehivavy na tanora na lehibe no tena iantsorohan’ny fikambanan’ny Vehivavy ASTAFIM. Ratsa-mangaika ao amin’ny fikambanana ASTAFIM (Asa ho an’ny Tanora ho fampandrosoana Ifotony eto Madagasikara) ihany izy ity. Ny fitadiavana sehatra ahafahan’ny tanora mivelatra no tena tanjon’ny ASTAFIM. Mirona kokoa amin’ny vehivavy indray kosa ny fikambanana Vehivavy ASTAFIM. “Ny fampiroboroboana ny asa fiveloman’ny vehivavy sy ny fitadiavana asa ho an’ireo tsy manana no tena imasoan’ny fikambanana”, hoy i Olisoa Tatamo RAVAOHARINIRINA, filohan’ny Vehivavy ASTAFIM.
Ankoatra ny fitadiavana lalam-barotra ho an’ireo mpikambana miasa amin’ny sehatry ny asa tanana, mandray anjara amin’ny fanabeazana sy fanatsarana ny fahasalaman’ny mpikambana sy ny mpiara-belona ny fikambanana.
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 May 2017 teny amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy ny fijoroan’ny Fikambanana Vehivavy ASTAFIM Atsimondrano. Nisy ny fampirantiana ireo asa tanana novokarin’ireo vehivavy mpikambana. Ho fisantarana ny asa sosialy, nizara vary, siramamy ary kafe ho an’ireo beantitra sy sahirana teny amin’ny kaominina ny mpikambana ao amin’ny ASTAFIM.
Marihina fa anisany manohana ny fikambanana ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy Antenimierandoholona.