FIKAMBANAN’NY MPIVAROTRA ASA TANANA: Nandresy ny tolona, mandry ivohon’ny vato ny mpivarotra.

Nitotorebika tokoa ireo mpivarotra asa tanana Malagasy ao amin’ny Pochard androany satria niverina madiodio ho azy ireo ny tany. Foana hatrao ny didim-pitsarana mandroaka azy ireo hiala ao. Tanim-panjakana ity tany ity no namidy tamina mpandraharaha  iray sy tamin’ny orinasa Baolai. Niady hatramin’ny farany  anefa ny fikambanan’ny mpivarotra asa tanana Malagasy na AMM ka izao nibata ny fandresena izao.

Nanampy betsaka tamin’ny fanafoanana ny didim-pitsarana manala azy ireo tsy hivarotra intsony ny Solombavahoaka Naivo RAHOLDINA sy Michèle RATSIVALAKA. Ity voalohany rahateo Filohan’ny vaomiera Mpanadihady ny olan’ny fananan-tany  ka  nitady fomba rehetra hamerenana ny tany ho an’ny fanjakana ary mba hijanonan’ny mpivarotra asa tanana Malagasy eo amin’io toerana io.