Fikambanan’ny Zanaka Antanala: 10 Taona nijoroana.

Notanterahina ny sabotsy 25 aprily teny amin’ny CEFOM Maibahoaka Ivato ny fifampiarahabana nahatratry ny taona ny fikambanan’ny Zanaka Antanala. Nakotroka ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona 2015 notontosain’ny fikambanana ZANTA teny amin’ny CEFOM Maibahoaka. Nosokafana tamin’io fotoana io, ihany koa, ny fankalazana ny faha folo taona ny fikambanana. « Fifampitsinjovana ny mpikambana sy fitondrana ny anjara biriky ho fampandrosoana ny faritra no tena tanjon’ny fikambanana », hoy Jean Brunelle Razafintsiandraofa izay filohan’ ny fikambanana Zanta no sady Solombavambahoaka voafidy tany Ikongo. Misedra olana hatramin’izao iny faritra iny noho ny faharatsian-dalana sy ny tsy fisian’ ny herinaratra, hoy hatrany izy. Mangataka ny fitondram-panjakana hijery akaiky ny zava-misy any an-toerana ny fikambanana. Maro ireo vahiny nasaina tamin’io andro io ka anisan’izany ny fikambanana Fitohasina. Nafana dia nafana ny lanonana ka nofaranana tamin’ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana izany.

Lynda A.