Dingana telo no nifantenana ireo kandida hirotsaka ho mpikambana, handrafitra ny Filan-kevitry Fampihavanana Malagasy (CFM). Ankoatra ny fijerena ny fahafenoan’ny an-tontan-taratasim-pilatsahana sy ny famakafakana mivantana ny maha izy azy ny kandida hiavahany amin’ny hafa, ny “entretien public” no dingana fahatelo hanivanana azy ireo. 220 ny fitambaran’ny kandida voafantina hiatrika izany ka androany eny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona Anosikely no hanaovana izany ho an’ireo kandida manodidina an’Antananarivo.
“Folo isaky ny faritra no nofantenana hiatrika ity dingana ity ka roa isaky ny faritra no ho raisina handrafitra ny CFM. Ny iray ho mpikambana raikitra ary ny iray kosa ho misolo toerana”, araka ny fanazavan’ny Filohan’ny komity mpifantina (CSN) ny CFM,TEHINDRAZANARIVELO Emmanuel.
Hatramin’ny 20 aogositra 2017 no ho tapitra ny fe-potoana hiasan’ny CSN/CFM. Hifanindran-dalana amin’ity dingana fahatelo ity ny “enquête de moralité » sy ny « enquête d’environnement ».