Tsy ho zakan-dRaolombelona ny hafanan’ny tany raha mihoatra ny 2°C. Raha mitohy anefa ny tsy fandraisana andraikitra dia hiakatra 1,8 ka hatramin’ny 4 °C izany. Anisany mahatonga ny tany miha mafana ny tsy fanajàna ireo fifanarahana momba fiovan’ny toetr’andro toy ny CCNUCC (Convention-Cadre des Nations Unies sur le Changement climatique) izay firenena 194 no nankato izany, ao anatin’i Madagasikara, ny « protocole de Kyoto »… Zava-kendren’ireny fifanarahana ireny ny fampihenana ny etona mangeja hafanana (gaz à effet de serre) izay fototry ny fiovan’ny toetr’andro. « Tsy ratsy ny « gaz à effet de serre » na ny GES satria mitazona ny hafanan’ny tany ho 15°C mba hahatonga antsika ho velona, mitahiry hafanana avy amin’ny masoandro. Raha be loatra anefa ny GES dia mitarika fiovan’ny toetr’andro”, araka ny fanazavan’ny tekinisiana iray momba ny fiovan’ny toetr’andro.
Namany mandrora mitsilany ihany Raolombelona satria ny fomba entiny hampivoarana ny maha olona, ny ara-toekarena ihany no manimba ny tontolo iainana, loharanon’ny fivelomany. Araky ny fikarohana dia mampiakatra ny etona mangeja hafanana ny etona manimba avy amin’ny ozinina, ny etona avy amin’ny fitaovam-pitaterana mandeha amin’ny motera. Eo ihany koa ny fandoroana tanety, ny fandoroana ala.
Mahery vaika
Raha i Madagasikara manokana no resahina dia fahaefatra alohan’ny gisitra amin’ny faharefoana amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Nanomboka tany amin’ny faritra Atsimo, ny taona 1950 no nitranga ny fiovan’ny toetr’andro ary niitatra tany amin’ny faritra Avaratra izany nanomboka ny taona 1970, araka ny tatitra navoakan’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro (DGM) tamin’ny volana martsa 2008. “Miseho amin’ny alalan’ny fidinan’ny rotsakorana amin’ny faritra sasany izany. Ahiana ny fihenan’ny orana amin’ny faritra maro”, hoy tale jeneralin’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro, Raholijao Nirivololona. Fiantraikany ny fiovan’ny toetr’andro ireny ora-mikija ao anatin’ny 48 ora ireny. Orana tokony hilatsaka ao anatin’ny fotoana lavalava lasa mirotsaka ao anatin’ny fotoana fohy. Hany ka mitera-doza. “Hatramin’izay tsy nahitana fihotsahana teny ambonin’Ampamarinana kanefa tao anatin’ny roa taona nisesy izay dia nisy foana, hirariana mba tsy hitohy intsony izany amin’ny taona”, hoy izy. Ankoatra izany, vao maika maina ny tany rehefa maintany. Manaitra ny sain’ny maro ihany koa izy fa raha mitohy ny fiakaran’ny hafanan’ny tany dia hiha mahery vaika ny tranga ara-toetr’andro satria ny tranga ara-toetr’andro rehetra dia mivelona amin’ny hafanana, na io oram-baratra io aza, na rivo-doza izay tsy velona mihitsy raha tsy misy hafanana. Tsy iadian-kevitra ihany koa ny fiakaran’ny mari-maripana. Raha ny vinavina dia hiakatra 1,1°C ka hatramin’ny 2,6°C ny maripana antonony isan-taona raha oharina amin’ny tatitra ny 1961-1990 (tatitra navoakan’ny DGM- martsa 2008). Efa mizaka ny vokany fiovan’ny toetr’andro ihany koa ireo tantsaha mpamboly noho ny fikorontanan’ny tetiandrom-pambolena, ny tsy fahampian’ny orana, ny fiforonan’ireo biby mpanimba voly. Tamin’ny 2013, nidina 40 % taham-pamokarana vary tany Alaotra Mangoro (tatitry ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono).
Havadika ho tombontsoa
Tsy misy afa-tsy lalana roa no hizorana amin’ity fiovan’ny toetr’andro ity. Na maty na miatrika. “Ny ezaka ataon’ny rehetra izao na ny tany an-dalam-pandrosoana na tany mandroso dia mba tsy hihoatra ny 1°C ny hafanan’ny tany, raha azo atao dia tazomina tsy hihoatra amin’ny 1,5°C, raha tsy voatàna izay dia ireo fepetra rehetra norasaina hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro sy hanalefahana izany dia tsy handaitra intsony”, hoy ny tale jeneralin’ny Météo Malagasy. Manana tombony lehibe ny firenena marefo amin’ny fiovan’ny toetr’andro satria misy ny famatsiam-bola natokana hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro sy hampihenana ny GES. Voarakitra ao anatin’ny CNUCCC fa tsy maintsy mamatsy ara-bola ireo firenena mandroso nankato ny fifanarahana, mpandefa GES be indrindra mba hanampiana ny firenena an-dalam-pandrosoana, marefo amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Manamafy izany ihany koa ny “accord de Paris” sy ny « protocole de Kyoto ». Maro isan-kazarany ny famatsiambola ho an’ny fiovan’ny toetr’andro. Santionany amin’izany ny “fonds vert pour le climat” (FVC). Rafitra ara-bolan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana, eo ambany fiadidian’ny CNUCCC izy ity. Nanapa-kevitra ireo firenena nankato ny fifanarahana fa ho ampiakarina 100 miliara dolara isan-taona mandra-pahatongan’ny taona 2020 ny FVC mba hampihenana ny GES sy hanampiana ireo firenena marefo hiatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Anisan’ireo tetikasa hahazoana tohana ara-bola ny famokarana angovo azo havaozina, ny famporisihana ny tantsaha hiatrika ny fiovan’ny toetr’andro, ny fampiasam-bola lehibe indrindra momba ny ala sy ny fiovan’ny toetr’andro.
Rehefa firenena an-dalam-pandrosoana ka nankato ny CNUCCC dia afaka misitraka ny FVC. Amin’ny alalan’ny ratsa-mangaika nahazo fankatoavana toy ny ONG, ministera, banky fampandrosoana, sampandraharahan’ny firenena mikambana…no ahazoana izany. Marihina fa mbola tsy manana antokon-draharaha nahazo fankatoavana hitantanana ny tahirim-bola ho an’ny fiovan’ny toetr’andro.
Tsy averina ny famatsiam-bola ho an’ny fiovan’ny toetr’andro saingy mitaky fitantanana mangarahara sy politika mazava tsara izany. Manana politika hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro (Plan National d’Adaptation na PNA) i Madagasikara. Raha tsy ankatoavin’ny fitondram-panjakana amin’ity volana oktobra 2019 ity ny PNA dia tsy hahazo famatsiam-bola. Ho hita eo ny finiavan’ny fitondrana entin’ny prezidan’ny repoblikan’i Madagasikara Rajoelina Andry hiaro ny tontolo iainana.
Lynda A.