Tokony handaniana fotoana ela ny resaka tanim-panjakana. “Ny fanjakana no manana velaran-tany betsaka indrindra eto Madagasikara”. Nivoitra nandritra ny fivoriana nataon’ireo firaisamonim-pirenena, ny 07 jona 2022 ho fanomanana ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananantany izany. Voalaza matetika fa manana tany 10 tapitrisa hektara azo volena i Madagasikara. 30 % amin’io ihany anefa no misy manajary. An’ny fanjakana izany ny 70 % ny tany azo volena kanefa tsy misy mampiasa, hoy ireo firaisamonim-pirenena. “Fanjakana no tena manana tany betsaka indrindra eto Madagasikara kanefa tsy mahavita mizara izany ho an’ny vahoaka fa toa ny vahiny no mahazo tombony amin’izany”, araka ny fanehoan-kevitr’ireo firaisamonim-pirenena hatrany. Anisany lohahevitra resahina mandritra ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananantany izay tanterahina ny 08 ka hatramin’ny 10 jona eny amin’ny CCI Ivato ny fahazoan’ny Malagasy rehetra tany. Voamboasina ao anatin’izany ny politika mazava fahazoan’ny Malagasy tany eto Madagasikara. Ny olana hoy ireo firaisamonim-pirenena dia tsy misy politika sy tetikady mazava amin’ny fizarana ny tanim-panjakana indrindra ho an’ireo tanora dimy hetsy isan-taona miakatra eo amin’ny sehatry ny asa. “Ny fomba fahazoana tany dia avy amin’ny fandovana ny 73 %. Ny tanin’ny ray aman-dreny no hifandovan’ny taranaka ary lasa miha kely hatrany araka ny isan’ny mpandova ny velarantan’ny sombin-tany ampiasaina”.
Fomba fahazoana tany
Manana vahaolana aroso ireo firaisamonim-pirenena ka anisan’izany ny fametrahana politika mazava amin’ny fizarana ny tanim-panjakana ary tokony ho terantany malagasy sy ny taranany no tokony hisitraka, hampiasa ary ho tompony fa tsy ny vahiny. Tokony mifototra amin’ny fifandrindran’ireto teboka ireto izany politika izany: ny fahafantarana ny sata tany rehetra manerana ny 1695 kaominina amin’ny alalan’ny fanisana parsely mba hisian’ny PLOF (Plan Local d’Occupation Foncière) isaky ny kaominina, ny fandaminana ny fampiasana ny tany amin’ny alalan’ny famolavolana drafitra ifoton’ny fanajariana ny tany (DIFT na SAC) satria ny velaran-tanin’i Madagasiakara dia tsy hitombo fa ny mponina no hitombo, ny fampirindrana ny PLOF sy ny SAC ary ny fitrandrahana sy fampiharana ireo fitaovam-pitantanana toy ny fampitomboana ny tany azo volena sy ny vokatra, fampitomboana ny trano honenana sy ny orinasa manodina vokatra, hetran-tany, fanajariana ny tany. Ankoatra ireo dia vahaolana ahafahan’ny Malagasy rehetra manana tany ny fanisana ireo tanim-panjakana. Nohamafisin’ny Filoha Nasionalin’ny Tafomihavo (Tambazotran’ny Fokonolona mitantana harena voanjanahary eto Madagasikara) fa ny “tany dia ho an’ny Malagasy fa tsy natao ho an’ny vahiny”. “Manana zo feno ny Malagasy hisitraka ny tany fa tsy natao ho an’ny vahiny”, hoy Razafimanadraibe Louis De Gonzague. Nilaza izy fa ny SIF (Sehatra iombonana ho an’ny fananantany) sy ny FIFATA (Fikambanana Fampivoarana ny Tantsaha) no nikarakara ny fivoriana ho fanomanana ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananantany. Marihina fa nanomboka ny 08 jona 2022 ary hifarana ny 10 jona 2022 eny amin’ny CCI Ivato io fikaonandoham-pirenena io.
Lynda A.