FIRAISAN-KINA HO FANAVOTANA AN’I MADAGASIKARA: “Ny vahoaka no tompon’ny fahefana”.

Nitombo indray ny vovonana hiady ho amin’ny fanavotana ny firenena Malagasy. Hery velona mihoatra ny 50 isa  nanambatra ny heriny  ho fikambanana iray mitondra ny anarana hoe: Firaisan-kina ho Fanavotana an’i Madagasikara.  Ambetin- tenin’ny fikambanana ny fanarenana ifotony ny firenena satria mahatsapa izy reo fa efa mihoa-pampana  ny fahantran’ny vahoaka noho ny ataon’ny fitondram-panjakana. “Ny fampivondronana ny hery no fanefitra ho enti-miady hanarenana an’i Madagasikara”, hoy Odon, Filohan’ny antoko politika Aroriaka.

Zary lasa ny vahoaka ny mizaka ny tsy eran’ny ainy raha tokony higoaka ny tombontsoan’ny harem-pirenena. Ireo olom-bitsy no faly sy mitsetsitra izany.  Ny fitrandrahan’ireo vahiny ny harem-pirenena izay tsy mitondra fampandrosoana ho an’ny besinimaro akory no tena idiavian’ity fikambanana ity.

Ho an’ny fikambanana , ny vahoaka no tompony  fahefana ka izany no hivondronan’izy ireo mba hanentana ny vahoaka fa manana fahefana amin’ny harena voajanahary misy ao aminy izy.  Mpanamora ny fitrandrahana azy hivadika fitaovana hampandrosoana ny firenena   fotsiny ny fitondrana, izay ny vahoaka  ihany no nifidy azy.