Notolorana nandritra ny varavarana misokatra ireo fitaovana ampiasan’ireo mpanasa lamba ao amin’ny toerana fanasan-damba ao amin’ny Boriborintany fahaenina. Efa fampanantenana nataon’ny Ben’ny Tanana an’Antananarivo Renivohitra izao fanomezana izany, araka ny fanazavan’i Fehizoro ANDRIAMANANJEZIKA, Delegen’ny Firaisana fahaenina.
Zava-dehibe ho an’ny Boriborintany fahaenina ny hetsika izay notontosaina tamin’ny 16 sy ny 17 jona 2017 lasa teo. Nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra fa fotoana ahafahana mampahafantatra ny zava-misy eny amin’ny firaisana amin’ny mponina ny varavarana misokatra tahaka itony.
Fampiratiana ireo andraikitra sahanin’ny boriborintany, fifaninanana ara-panatanjahantena sy tsikonina… no nameno ny programa nandritra ny roa nisesy.
Marihina fa nisy ny fizarana loka ho an’ireo telo voalohany nandray anjara tamin’ny fifaninanana hazakazaka, tsikonina. Ny Orange izay orinasa mpanohana ny hetsika no nizara izany.