FISOKAFAN’NY TEMPOLY ANATIROVA: “Mitondra fitahiana ho an’ny firenena…”

Mirakitra tantara ho an’i Madagasikara ny tempoly Anatirova Manjakamiadana. Tamin’ny vanim-potoana nanjakan-dRanavalona II no nanangana azy ity tao amin’ny Rovan’Antananarivo. Marihina amin’ity taona ity ny faha-150 taona nisiany ary tsy hifarana ny fankalazana raha tsy amin’ny taona 2020. Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no nanombohana ny fankalazana, androany sabotsy 20 jolay 2019. Raha ny fanazavan’ny solontenan’ny komity vonjimaika mpanomana ny fankalazana, Rakotomamonjy Emont fa  tsy hanavahana antokom-pinoana ny tempoly Anatirova. Noho izany, hifandimby hanao fotoam-pivavahana eny an-toerana ireo fiangonana isan-karazany sy fikambanana maro samihafa. Raha ny programa efa fantatra dia ho avy eny an-toerana ireo taranaka andriana miray eto Madagasikara rahampitso alahady 21 jolay 2019. Amin’ny alatsinainy 22 jolay kosa ho an’ny fiombonan’ny fiangonana zandriny. Handalo eny  ihany koa ny foibe FJKM ho fanamarihana izay faha-150 taona izay.

“Nikatona ny tempoly  rehefa tonga ny mpanjanantany,  zato taona lasa izay. Taorian’izay dia tsy azo nivavahana teny an-toerana.  Nisy ihany koa fotoana  nanahirana be tamin’ireo mpitondra nifanesy  ka tsy azo nivavahana ny tempoly ary tsy lazaina intsony ireo sakantsakana isan-karazany”, hoy Rakotomamonjy Emont.  Ankehitriny, misokatra indray ny tempoly ary azo hanaovana fanompoam-pivavahana. Nohamafisiny fa natao indrindra hitondrana am-bavaka  ho an’ny firenena ny tempoly. “Tiana ho fantatry ny vahoaka malagasy fa rehefa misokatra Anatirova dia misokatra ny fitahiana ho an’ny firenena, hitantsika sahady izany tamin’ny Barea satria  noentina am-bavaka teto ny ekipam-pirenena”, hoy hatrany izy

Lynda A.