Ny laharana IMEI na International Mobile Equipement Identity no ahafahan’ny polisim-pirenena misahana ny ady heloka bevava mikaroka ireo olona mampiasa finday nangalarina na ny toerana misy ireo mpaka an-keriny amin’ny alalan’ny finday nampiasain’izy ireo. Tao anatin’ny efa-bolana anefa, nahatsapa ny mpitandro filaminana fa nihasarotra ny fikarohana ireo jiolahy tamin’ny alalan’ny fanaraha-maso ny antso nataon’izy ireo, ny toerana nihavian’ny antso ary koa ny laharana finday.
Samy manana ny laharana IMEI mampiavaka azy ny finday rehetra rehefa tsindriana ny *#06#. Raha very ny finday iray dia fantatra avy amin’io IMEI io izay laharana vaovao amin’ilay finday.
Taorian’ny fanangonam-baovao, nanano fidinana tampoka teny Analakely ny Polisy misahana ny fikarohana ka olona telo no voasambotra. Vehivavy mpitantana orinasa misahana manokana momba ny finday ny iray ary lehilahy tompona “Kiosque” sy mpanampy azy kosa ny roa hafa.
Araka ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo, afaka manova io laharana IMEI io ry zareo. Noho izany, nogiazana ireo fitaovana nampiasain’izy ireo toy ny ordinateurs portables miisa 07, disques durs externes sans capots 02, box bleuline 4G iray, finday maromaro…
Marihina fa natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha.