FITIBA: Mahazo vahana ny famotsian’omby.

Matanjaka ny fitaovam-piadian’ireo dahalo mpangalatra omby. Mihemotra ny fiarahamonina amin’ny fanenjehana azy ireo na dia fantatra aza ny toby fametrahan’ireo malaso ireo omby halatra. Mahazo vahana ny famotsian’omby noho ny firaisana tsikombakomba amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny. Mihinana henon’omby halatra ny vahoaka an’Antananarivo. Ho an’ny fikambanan’ny terak’Ibara (FITIBA), hidina ifotony any amin’ireo distrika 13 mandrafitra ny faritra Bara ny fikambanana. Toerana mafana, hanjakan’ny asan-dahalo ny ankamaroan’ireo toerana ireo toy i Betroka, Ankazoabo…

Tsy maty manota

Nambaran’ny Filohan’ny FITIBA, Nakany Charly  fa mitaraina ny ray aman-dreny fa voafatotry ny ody ireo zanany ka izany no mahatonga azy ireo tsy mety miala amin’ny asan-dahalo. Hiroso amin’ny fananarana ireo zanaka tafiditra ao anatin’ny tambazotran’ny dahalo ny fikambanana. Nanamafy izany ny Filoha lefitry ny FITBA, Paolo Solonavalona Raholinarivo fa hanaiky hananatra ny zanany ny ray aman-dreny. Misy ny tsy maty manota. Noho izany, tokony hananatra ny mpiasam-panjakana ihany koa ny fitondram-panjakana satria avy amin’ny sasantsasany amin’ireo no mampirongatra ny asan-dahalo. Manamora ny famatsiana ny omby halatra amin’ny tsena izy ireo.

Tsy natao ho an’ny tambanivohitra irery ihany ny dinabe fa natao ho an’ny daholobe ka rehefa tratra dia tokony iharan’ny dina. Ao anatin’izany ny tomponandraikitra mpamatsy fitaovam-piadiana ireo dahalo, ny mpikarakara ny taratasin’omby halatra….