FITRANDRAHANA CHROME TOAMASINA II: Tsy nandeha tany Volobe ny Lehiben’ny Distrika sy ny Solombavambahoaka Rohilahy.

Manoloana ny filazam-baovao tamina gazety mpiseho isan’andro sy tamin’ny televiziona, nitsipaka an-kitsirano ny filazan’ny fikambanana iray fa nidina nandraoka ny mponina tao amin’ny fokontany Volobe ny Lehiben’ny Distrika Toamasina II, Andry RAZAFINDRAKOTO sy ny Solombavambahoaka voafidy teto Toamasina II, Rohilahy Jaolahy. Marina fa nisy ny fidinana natao tany amin’ny kaominina Ambodilazana ny 07 aprily 2017 fa tsy ireo anarana voalaza ireo velively  no nandeha tany. Nambaran’ilay fikambanana  fa nandraoka ny mponina tao amin’ny fokontany Volobe izy roa lahy ireto  satria nahitana “chrome” ny faritra misy azy ireo ka ho trandrahana.

Nanamafy   ny Talem-paritry ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany eto amin’ny faritra Atsinanana, AMABLE André Benjamin fa tsy nandeha tany amin’ny kaominina Ambodilazana izy roa lahy ireo fa ny Filohan’ny vaomieran’ny Harena an-kibon’ny tany no nanao fitsidihana  tao amin’ny fokontany Lomboka  izay misy ny “chrome” fa tsy tao  Volobe izany.

Nambarany fa an’ny orinasam-panjakana CHROMA ny faritra Lomboka izay hananany taratasy  fahazoan-dalana mikaroka  (permis de recherché) “chrome” no  mbola hananany hatramin’izao fa tsy mbola fahazoan-dalana mitrandraka.