Tsy voatery miandry ny fitondram-panjakana foana vao afaka mampandroso sehatra iray. Tsy hisy fampandrosoana vanona raha izany no handrasana. Noho izany mila mampiasa ny eo am-pelatanana na fahaizana izany na fitaovana na vola.
Ho an’ny fitsarana ambony Toamasina, finiavan’ny Procureur Général (PG), ANDRIAMIHANGY Georges Florence no nahavitana namadika ny dosie rehetra ao amin’ny fitsarana ambony ho nomerika. Vokany, lasa mora kokoa mikaroka ny raharaham-pitsarana rehetra nanomboka ny taona 2002 no mankaty.
Etsy ankilany, tsy miandry fotoana ela be intsony ireo olona manana dosie karohina ao amin’ity fitsarana ity satria efa voarakitra ao anaty solosaina avokoa ny mombamomba izany toy ny didim-pitsarana, ny laharan’ny dosie… “Hatramin’izay, adiny roa vao hita ny dosie iray. Ankehitriny kosa, dimy minitra monja dia efa hita izany noho ny famadihana azy ho lasa nomerika”, hoy i Christian TSIANIGNA, Lehiben’ny Mpirakidraharaha eto amin’ny fitsarana ambony Toamasina.
Nambaran’i PG fa mampitarazoka ny asa eny anivon’ny fitsarana ny fikarohana dosie ao anaty “archive”. Noho izany indrindra no nahatonga ny tenany nitady vahaolana hamahana izany. Ny fitehirizana ireo antontan-taratasy ao anaty solosaina no fepetra noraisina.
Ankoatra ny fanamorana ny asa, entina iadiana amin’ireo mpanera ny fampiasana ity teknolojia ity. “Betsaka ireo voafitaka amin’ny fikarohana dosie eto amin’ny fitsarana. Eo ny hakanosana hanatona ny tomponandraikitra voakasika noho ny fahelan’ny fotoana nisian’ilay dosie na tsy fitadidiana ny laharan’ny dosie ohatra ka tsy maintsy miandry ela be vao hita… Ireo mpanera no mahazo vahana satria mangataka vola amin’ilay olona manana raharaha izy ireo ary milaza fa afaka mijery ilay dosie tadiavina. Mifanohitra amin’izany anefa no mitranga. Ankehitriny, foana izany satria na dia dosie efa ela be aza no karohina dia hita foana noho ny fampiasana ny teknolojia.