FLM: Pasitora sy vevihavy teolojiana 600 no efa nanokafana kaonty Paositra Money

Fomba maro no azo iarahan’ny Paositra Malagasy sy ny fiangonana. « Ny fiangonana Loterana Malagasy (FLM) no fiangonana voalohany nisantatra ny fiarahamiasa amin’ny Paositra Malagasy. Tontosa ny 04 mey 2020 teny amin’ny foibe FLM Isoraka ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny roa tonta. Nambaran’ny Filohan’ny FLM, Pastora Rakotonirina David fa tsy ny fanomanana ny olona ho an-danitra fotsiny no ataon’ny fiangonana fa mandray anjara ihany koa amin’ny fiainan’ny fiarahamonina. « Ao anatin’ny lalam-panorenana sy ny fomba fiasan’ny fiangonana dia tsy azo atao ny mitahiry vola an-trano, tsy azon’ny mpitahiry vola ampiasana ny volan’ny fiangonana fa aterina any amin’ny banky. Indraindray lavitry ny fiangonana anefa ny banky ka talata na alarobia vao voatitra ka efa nisy fotoana nisy nangalatra ny alatsinainy. Ka ny paositra Money dia banky manatona ny olona, afaka mampiasa ny volany araka ny tokony ho izy ny fiangonana », hoy i Pastora Rakotonirina David. Araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Paositra Malagasy, Ranarison Richard fa fomba maro no azo iarahan’ny Paositra sy fiangonana. « Ao anatin’ny fiarahamiasa nosoniavina ny fandefasana ny karama na fanampiana ny Pasitora amin’ny alalan’ny Paositra Money. Ho an’ny mpino kristianina dia azo atao ihany koa ny mandefa ny adidy, fandraisana anjara ao amin’ny fiangonana, rakitra ho an’ny fiangonana amin’ny alalan’ny Paositra Money, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana izao. Raha ny tarehimarika nomen’ny Filohan’ny FLM dia Pasitora sy vevihavy teolojiana 600 no efa nanokafana kaonty Paositra Money ary heverina ho tafakatea 1800 ka hatramin’ny 2000 izany. Ankoatra izany, nanolon-tena ny FLM ho lasa mpaninjara ny Paositra Money ka isaky toerana misy fiangonana dia ahitana azy ity. Noho izany, « afaka maka na mandefa na maka vola ny olona na eny amin’ny biraon’ny Paositra na eny amin’ny fiangonana FLM », hoy ny tale jeneralin’ny Paositra.

Lynda A.