FMF : 10.000.000 Ariary farafahakeliny isaky ny mpilalao ny “prime” omena ny Barea.

Hiatrika ny dingana fifanintsanana,  lalao miverina hiadiana  CAN TOTAL CAMEROUN 2019 indray ny ekipam-pirenena Malagasy Barea. Ny ekipa « Sao Tomé et Principe » no hifandona amin’izy ireo eny amin’ny kianjaben’ny Mahamasina rahampitso. Nampanantena ny federasiona ny baolina kitra Malagasy (FMF) fa hanome “prime” ireo mpilalao antsika.

Etsy ankilany, nambaran’ny FMF ihany koa fa tafakatra hatrany amin’ny 10.000.000 Ariary farafahakeliny, isaky ny mpilalao raha tafakatra amin’ny dingana famaranana ny lalao amin’ny CAN TOTAL 2019 izay atao any Caméroun.