FMI MALAGASY: Afaka atao ny mampidina ny vidin-tsolika ho antsasany.

Ao anatin’ny iray volana monja, hanana fahefa-mividy ny Malagasy. Hihena ho antsasany ny vidin-dasantsy raha toa ka ampiharina ny fandaharan’asan’ny fikambanan’ny Fahefa-Mividy no Ilain’ny Malagasy (FMI) ary hidina manaraka ho azy ny vidin’entana. Nambaran’ny Filohan’ny FMI, Jean-Jacques RATSIETISON fa amin’ny fomba tsotra no ahafahan’ny vahoaka manana fahefa-mividy amin’ny lafiny rehetra. Voalohany amin’izany ny fanafoanana ny MID (Marché Interbancaire de devises). Faharoa ny fametrahana taha-bola tsy miovaova. Ary ny tena zava-dehibe dia ny fampiakarana ny sandam-bola Malagasy.

Ho foana hatreo ny fiankinan-doha amin’ny fanampiana avy any ivelany. Mifanindran-dalana amin’izay ny fanampiana tosika ny tantsaha amin’ny lafiny famokarana. Rehefa mitombo ny vokatra, hahaleo tena ara-tsakafo ny mponina. Tombony ho an’ny firenena kosa ny fanodinana ireo ambim-bava ka ho ahondrana any ivelany mba  hampidirana  vola vahiny.

Ho fanatanterahana izany, handrotsaka kandida amin’ny fifidianana Filoham-pirenena 2018 ny fikambanana FMI Malagasy.