FONDATION TERRA: Fianakavian’i Njato no nibata ny loka voalohany tamin’ny Cleaning Challenge

Fantatra ny 11 desambra 2021 teny amin’ny Le Combava Ambodihady ireo fianakaviana 5 mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana “Cleaning Challenge” nokarakarain’ny Fondation Terra. Nibata ny loka voalohany ny fianakavian’i Njato. Lelavola 2 tapitrisa Ariary no azony miampy kojakoja fikarakarana sy fanadiovana ny ao an-tokantrano. Nandrombaka ny laharana faharoa ny fianakavian’i Louis ka vola mitentina 5 hetsy Ariary ny loka natolotry ny Fondation azy. Nanolotra fanomezana ho azy ihany koa ny orinasa SOMAPRO mpanohana ny fifaninanana. Ny fianakavian’i Bienvenu no fahatelo, Ony ny fahaefatra  ary Vonona ny fahadimy. Samy nahazo loka avy amin’ny mpanohana ny lalao ihany koa izy ireo izay ahitana karazana vokatra Impec. 11 mianadahy no nandray anjara tamin’ny Cleaning Challenge. Mpiasa avy amin’ny Group Terra ihany izy ireo. Nandritra roa volana ny faharetan’ity fifaninanana momba fahadiovana, fandaminana ny ao an-tokantrano ity. Nampiavaka ny lalao ny fanomezana fiofanana ireo mpifaninana. Lohahevitra 7 no noresahana tamin’izany toy ny fahaizana mandamina ny ao an-tokantrano (lakozia, trano fatoriana…); fandresen-dahatra ny manodidina handray anjara amin’ny fanadiovana… Isan-kerinandro misy lohahevitra hifaninan’ny mpandray anjara ary mahazo loka ireo telo voalohany. Natambatra kosa ny naotin’ny tsirairay nandritra roa volana ka izay tsara indrindra no nahazo ny loka goavana.

Mampiasa ny eo am-pelantanana

Hetsika voalohany nokarakarain’ny Fondation Terra izy ity ho fanentanana ny mpiara-miasa ao amin’ny Terra Group amin’ny fanadiovana sy ny fandaminana ny tokantrano sy ny manodidina azy. “Fahatongavana ara-tsaina fa misy fandraisana andraikitra mila atao eo amin’ny fiainana, afaka madio, afaka manentana ny manodidina ary raha tonga saina tsara dia tsy mila baikoana, tsy mila arahina”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Terra Group, Lalatiana Robine. Nambarany fa ny teo am-pelantanan’ny mpifaninana ihany no nampiasaina. “Tsy mila manao investissement goavana be. Ahoana izany madio izany rehefa ampiasaina ny eo am-pelantanana”, hoy izy. Miompana amin’ny fambolena sy ny fiompiana ny Terra Group ka hetsika faharoa ho karakarain’ny Fondation Terra ny fifaninanana momba ny fiompiana. “Hisafidy toerana iray izahay. Lalao momba fiompiana manaraka fenitra indray no ho atao. Hisokatra  ho an’ny olona eo amin’io tanana io ny lalao”, hoy hatrany i Lalatiana Robine.

Lynda A.