FORCES DE CHANGEMENT: Misy ireo mpikambana te handoto rano fotsiny.

Nibaribary nandritra ny fivoriana farany notontosaina teny Andavamamba fa be dia be ireo te ho lohany, mikambana ao amin’ny Forces de Changement. Hitaky ny fanesorana ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA no tanjona kanefa teraka sahady  ny  tsy fitovian-kevitra amin’ireo mpanao politika ao anatiny.

Ao no te hanao amboletra hanala ny Filoham-pirenena. Nambaran’ny Alain ANDRIAMISEZA fa  tsy azo leferina intsony ny fitantanan’ ny Filohan’ny Repoblika  sy ny HVM mpanara-dia  azy satria tsy mahavita azy.  Nilaza anefa  i Doudou izay anisany namorona ny Forces de Changement fa ilaina ny fanesorana ny Filoha Malagasy saingy tsy amin’ny alalan’ny ra mandriaka  kosa no hanaovana izany.

Noho izany, hisy  indray ny fivoriana handaminana ny raharaha anatiny ny fikambanana.