Miroso hatrany ny famolavolana ny fandaharan’asa ho entina hiaraha-mitantana ny firenena mialoha an’ny fifidianana 2018 ataon’ny hetsika « Forces de Changement ». Hevi-dehibe roa no iompanan’ny hetsika. Ao anatin’izany fijerena ny olan’ny fandriam-pahalemana sy ny ady amin’ny kolikoly. Namaly ny tenin’ny governemanta i Maharavo RATOLONJANAHARY fa tsy maintsy miroso amin’ny fiaraha-mitantana ny firenena ny fitondrana ankehitriny mba tsy hiveranan’ny fomba fanao ratsy teo aloha nataon’ny mpanao politika sy ny fitondrana nifanesy.
Ho faritana ao anatin’ny fifanarahana fiaraha-mitantana mihitsy ireo fomba fitantanana tsy nahomby fa vao maika nampahantra an’ i Madagasikara ka mila fanovana. Eo ihany koa ireo toetr’ireo mpanao politika ka nampalahelo ny vahoaka ary tsy mila mamerina izany intsony.