Hatramin’izay, mitovitovy amin’ny lalao baolina kitra eny an-kianja ihany ny fomba filalao baolina kitra anaty efitrano ny teto amintsika. Manoloana izany, nandray fanapahan-kevitra ny eo anivon’ny Ligue an’Analamanga fa hohatsaraina ny “baolina kitra atao anaty efitrano” ka teraka ny fiaraha-miasa teo amin’ny Accord Fosa Junior sy ny Ligue. Mandritra ny telo eo dia hisy lalao iadiana izay ho tompondaka an’Analamanga amin’ity lalao iray ity. Efa manomboka ny fisoratana anarana ka ireo kilioba 24 misoratra voalohany no hikatroka ny lalao.
Mialoha ny lalao, tsy maintsy hofanina ireo mpanazatra sy ireo mpitsara mba hifanaraka amin’ny lalanan’ny lalao iraisam-pirenena amin’io taranja io . Ao anatin’ny 18 ora ny fiofanana ho an’ny mpanazatra ary 20 ora kosa ho an’ny mpitsara. “ Ireo mpanazatra sy mpitsara amin’ny lalao baolina kitra an-kianja ihany no hahazo izany fiofanana izany”, hoy Tota, Filohan’ny Ligue Analamanga, Rakotoarimanana Henintsoa.