GDS: Hetsika maro no atao ho fampandrosoana ny faritra Atsimo.

Nijoro ara-dalana ny 17 janoary 2017 ny fikambanana GDS na Groupement Du Sud. Mponina avy any amin’ny faritra Atsimo sy fikambanana 64 ao  Toliara sy Fianarantsoa no mandrafitra ity fikambanana ity. Hetsika maro no hotanterahan’ny fikambanana atsy ho atsy ho fampandrosoana ny faritra misy azy araka ny tarigetrany: “Mitodika Atsimo”.

Nambaran’ny Mpandrindra Nasionalin’ny fikambanana  Fianarantsoa, Eric Stoff RAKOTONANDRASANA fa mifantoka amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy toe-karena ny fikambanana. Ao anatin’izany ny fampivoarana ireo tanora mpikambana ao aminy  ho  andrin’ny firenena.  Laharam-pamehana ho an’ny GDS ihany koa ny fanabeazana azy ireo hahay hitsinjo ny maha olona.

Ho fitandroana ny kolontsainan’ny faritra Atsimo ihany koa tena hivondronan’ny fikambanana.