GENDER LINKS: Ny kolotsaina no mbola mametra ny fampiharana ny miralenta.

Mbola ambany dia ambany ny tahan’ny vehivavy no mpanapa-kevitra. Eto Madagasikara manokana izao, vitsy amin’izy no mitana  izany toerana izany, raha ny ratsa-mangaika  eny anivon’ny governemanta, parlemantera…no jerena. Ny  lehiben’ny faritra  aza  tsy misy vehivavy mihitsy. “Ny kolotsaina Malagasy no mametra  fa ny lehilahy no lohany. Mba hampiharana ny miralenta dia tokony handray andraikitra avokoa ny fitondram-panjakana, ny fiarahamoninm-pirenena fa indrindra ny vehivavy.  Tokony hisy ny fandaminana ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny mponina, Alex PICOT.

Etsy ankilany, manamafy ny Gender Links, fikambanana misahana ny fampiharana ny miralenta fa tokony hampiharina ny lalana sy ny fifanarahana iraisam-pirenena momban’ny fampitovian-jo . “Sehatra iray ahafahana mampiroborobo ny miralenta sy ny fandraisan’ny vehivavy andraikitra  amin’ny lafiny  rehetra  ity fihaonam-be nasionaly ity”, hoy Ialfine PAPISY, tomponandraikitry ny Gender Links.

Mandritra ny telo andro, misy ny fivoriana hiarahan’ireo mpiantsehatra rehetra mandray anjara amin’ny fampiharana ny miralenta sy ny fampandrosoana. Nanomboka omaly izany ary hifarana rahampitso faha-02 ny volana desambra 2016.