GIZ: Manohana ireo mpiompy osy sy ireo mpanodina vokatra.

Efa manomboka mahazo laka eo amin’ny sehatry ny varotra  ny vokatra vita amin’ny henan’osy.  Manosika ireo vokatra ireo ny “cooperation allemande GIZ”. “Mampiodina ny toekarena any amin’ny faritra Atsimo ny fiompiana osy ka tokony ampiana ireo mpiompy”, hoy Julie Dodelle Pierre. Ho fampivelarana ity karazana fiompiana ity, manampy  amin’ny fanodinana ny osy ho lasa vokatra hafa ihany koa ny GIZ. “Efa misy ihany koa ny orinasa mpanodina azy ho lasa vokatra toy ny  saosisy, “charcuterie, salami…”

Hita eny amin’ny  tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy na ny FEPA andiany faha-9, izay atao eny Nanisana, ireo vokatra ireo. Nambaran’ny tomponandraikitra   fa efa misy osy miisa16.000 vonona hamidy ao amin’ny trano hevany.  Mandritra ny dimy andro dia afaka manjifa ireo vokatra ihany koa ireo mpitsidika.

Ankoatra izany, mampivelatra ny fiompiana tantely  sy ireo vokatra azo avy aminy ny GIZ. Nomarihany fa manohana ireo mpiompy sy mpanodina vakotra eo amin’ny lafiny teknika sy ara-pitaovana ity farany.