Rehefa fetin’ny noely sy faran’ny taona tahaka izao dia maro ireo fianakaviana no tsy manadino mitsidika ny « Grande Braderie de Madagascar ». Ny fihenam-bidy amin’ireo entana amidy no anisany antony hitsidihan’izy ireo izany. Nanomboka ny alarobia 21 desambra ka hatramin’ny sabotsy 24 desambra 2022 ny « Grande Braderie de Madagascar » ho an’ny fetin’ny noely sy faran’ny taona. Eny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina no hanatanterahina izany. Tsapa nandritra ny andro voalohany sy faharoa fa tonga maro ny mpitsidika. Maro tamin’ireo no nahita izay tadiaviny toy ny kiraro, akanjo, kilalao, sakafo sy ny maro hafa. Trano heva 150 no mandray anjara amin’ny Grande Braderie ary iharan’ny fihenam-bidy 15 % avokoa ireo entana amidy eny an-toerana. “Misy amin’ireo entana aza mihoatra ny 15 % ny fihenam-bidy”, hoy Andrianasolo Hery, tomponandraikitra ara-barotra ao amin’ny Mada Vision. Araka ny fanazavan’ny mpikarakara fa ny mampiavaka ny hetsika dia afaka miantsena am-pilaminana ny mpianakavy. Nohamafisina ny fiambenana ary misy ny “parking” ho an’ny fiara sy kodiaran-droa. Hisokatra manomboka amin’ny 8 oramaraina ny vavahady ary mihidy amin’ny 7 ora hariva.
Lynda A.