Karazan’entana maro no iharan’ny fihenam-bidy manomboka amin’ny 15 % mandritra ny Grande Braderie de Madagascar (GBM). Nanomboka ny alakamisy 1 jona ary hifarana ny alahady 4 jona 2023, eny amin’ny kianja Barea Mahamasina ny hetsika. Mampiavaka ny GBM ny fihenambidy ka ho arahimaso ny vidin’entana mba ho fitsinjovana ireo mpanjifa. “Noho ny fiakaran’ny vidim-piainana sy noho ny fahatsapana fa marefo dia marefo ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano dia iharan’ny fihenam-bidy manomboka amin’ny 15 % ireo entana amidin’ny mpandray anjara. Ho arahimaso sy ho tandrovana tokoa io fihenam-bidy io”, hoy i Hery RANDRIANASOLO, Tomponandraikitry ny Mada Vision. Trano heva miisa 100 no hita eny an-toerana ary mivarotra karazan’entana toy ny sakafo, akanjo fitafy, lamaody, kojakojan-dakozia, kojakoja momba ny fiara.
Lynda A.