GRANDE BRADERIE: Maro ny mpandray anjara vaovao

Miezaka manome fahafam-po ny mpanjifa ny Mada Vision, mpikarakara ny Grande Braderie. Manoloana izany, maro ny mpandray anjara vaovao amin’ny hetsika mialoha ny fetin’ny paska. Hisy ny trano heva mivarotra fitaovana, toy ny « groupe électrogène, ny kojakoja fampiasa mandeha amin’ny herin’aratra sy ny maro hafa. Marihina fa manomboka ny talata 31 Martsa ka hatramin’ny 04 Aprily 2015 ho avy izao ity andiany manaraka ity. Ny fihenam-bidy 15% no mampiavaka ny Grande Braderie ka nomen’ny mpikarakara toromarika ireo mpandray anjara hanaja izany ary hisy mpanara-maso mihitsy io tolotra io. Ankoatra izany, mpandray anjara 300 no handrakotra ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina mandritra ny  hetsika ary mpitsidika 50.000 no andrasana, hoy ny mpikarakara Rtoa Harilala RAMANANTSOA. Tsiahivina fa mbola hisy ihany koa ny hetsika ho an’ny fetin’ny reny.

Lynda A.