Nohevirin’ny olona fa vahaolana amin’ny fambolena ny doro tanety. Marina fa manamora kokoa ny fambolena sy ahazoana vokatra ihany ny fanaovana izany saingy misy loza ateraky ny fampiharana azy. Mora kaon’ny riaka sy manimba ny nofon-tany ny doro tanety.
Ny fambolena no foto-piveloman’ny ankamaroan’ny tantsaha. Misedra olana anefa izy ireo aty aoriana vokatr’izany, ngazana ny tanety, dibo-drano indray eny amin’ny toerana iva, eo ihany koa voka-dratsy ateraky ny fiovaovan’ny toetra andro,….. Hanampiana ireo tantsaha, nisy ny tetikasa hanarenana izany rehetra izany niaraka tamin’ny Minisiteran’ny fambolena. Ny BAD no namatsy vola ny tetikasa ary ny GSDM. Ity farany no nisahana ny fampiofanana ireo tantsaha ary ireo vita fiofanana kosa no manofana ireo tantsaha namany . Ny faritra tapany Andrefan’i Vakinakaratra no nisantarana ity tetikasa ity.
Ny fampiasana voly rakotra no vahaolana hitan’ny Minisitera hampiroboroboana ny fambolena eny amin’ny tontolo ambanivohitra ary indrindra hanatsarana ny nofon-tany. Fambolena zava-maniry mampiakatra haingana ny tsiro tany ity teknika ity.
Marihina fa ny voly an-tanety no tena ampiharana ity teknika ity. Nankalazaina ny 26 sy 27 ny andron’ny « agroécologie », ary teto Antsirabe no nanatanterahana izany. Nitsidika ireo toerana nanatontosana ny tetikasa sy nijery ny vokatra tamin’izany ireo delegasionan’ny Minisitera tompon’andraikitra niaraka tamin’ny solontenan’ny BAD.
Tao Ivory, Kaominina Vinany no toerana lehibe indrindra nampiharana ny tetikasa voly rakotra.
Lynda A.