GSI: Mifanaraka amin’ny tsenan’ny asa ireo lalam-piofanana misy ao aminy

Nampitomboana ny lalam-piofanana ao amin’ny GSI mba hifanaraka amin’ny tsenan’ny asa. Raha « multimédia, communication et journalisme » no niandohany  ny taona 2022 dia efa mampiofana momba ny  « Design graphique », « cinématographie », « marketing digital », « communication, journalisme, audio visuelle » ny oniversite. « Noho fangatahan’ny mpanjifa dia nihitarina ny lalam-piofanana. Mitady olona mahafehy community management ohatra ny sampandraharaha ny serasera dia izay nahatonga ny lalam-piofanana marketing digital », hoy i Randrianaivo Geremioh, Filoha Tale Jeneralin’ny GSI. Feno 21 taona no nisian’ny oniversite. Mpianatra 4000 mahery no efa nivoaka tao, araka ny fanazavany.

Tsy eto Antananarivo ihany no misy azy fa efa manana ivon-toeram-pampianarana any Antsirabe, Toamasina, ary Mahajanga ihany koa. Ho fampihenana ny fandanian’ny mpianatra toy ny hofantrano no nanitarana azy any amin’ny faritra. Mandray anjara amin’ny « Salon des Études Supérieures », eny amin’ny Akoor Digue Andohatapenaka ny GSI. Manana tolotra manokana ho an’ireo mpianatra mitsidika ny hetsika ry zareo. Nanamboka omaly 7 septambra ary hifarana androany 8 septambra 2023 ity salon karakarain’ny Mada Jeune, mhanoroana lalana ireo mpianatra vao afaka bakalorea ny lalam-piofanana  mety aminy sy ireo oniversite mampiofana izany.

Lynda A.