Maro ny siosion-dresaka fa miray tsikombakomba amin’ny fibodoana tany miaraka amin’ny orinasa Filatex ny HAFARI Malagasy. Nasehony mibaribary izany omaly tsy marina ny fanesoram-potaka atao amin’ny fikambanana. Mifanohitra amin’izany no niseho satria nahazo trano fonenana maimaim-poana ireo rava trano teny Ankadimbahoaka. “ Fiaraha-miasa hanampy ny sahirana no tanjonay fa tsy hitondra alahelo ho an’ny vahoaka izany”, hoy ny Filoha Nasionalin’ny Fikambanana, Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA.
Ny Filatex mihitsy no nanome ireo trano ireo izay niarahany tamin’ny HAFARI Malagasy. Araka ny fanazavana hatrany, hisy foto-drafitra asa hafa hamboarina ho an’ireo fianakaviana rava trano teny Ankadimbahoaka tsy mbola manana trano.