Harilala Ramanantsoa nirotsaka hiatrika ny fitsaram-bahoaka

Tolona ombam-bady

Isan’ny nirotsaka ho kandida I Harilala Ramanantsoa. Ny Grande Braderie de Madagascar no sehatra nahafantarana azy.

Grande Braderie de Madagascar na GBM izany no sehatra nahazatra nahatazanana an’i Harilala Ramanantsoa. Lojika izany satria efa naharitra 15 taona io hetsika ara-barotra izay mahasarika olona 50 000 raha kely indrindra isaky ny andiany ary misy andiany efatra isan-taona.

 

Miroso ankasahiana

Ny zoma 15 mey teo kosa dia tsy io resaka Grande Braderie de Madagascar io no nahitana an’i Harilala Ramanantsoa. Tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany tolakandro dia indro izy sy ny vadiny ary ireo olona maromaro nanao diabe nidina nihazo ny biraon’ny Ovec (Organes de Vérification et d’Enregistrement de Candidatures). Teny Nanisana izany. Ho an’ireo efa nahalala mialoha dia hanatitra ny antontan-taratasy maha kandidà azy no anton-diany teny Nanisana toerana izay misy ny Ovec misahana ny Antananarivo Renivohitra sy ny Avaradrano. Hilatsaka ho kandida ao Antananarivo Renivohitra ny tenany.

 

Manao akanjo fotsy aho sy ireo kandida ho mpanolotsaina sy mpanara-dia ary mpanohana ahy ireto satria tianay ho marihina fa hisy pejy vaovao hisokatra izao miaraka aminay tanora ary lisitra tarihina vehivavy” hoy Harilala Ramanantsoa raha nilaza fohifohy ny anton’ny akanjo fotsy ny tenany. Nomarihany fa natolotry ny fikambanana MadaVision ny tenany. Kandida tsy miankina izany ary tsy mpanohitra koa anefa. Misokatra ho an’ireo olona tsara sitra-po rehetra ny tenany, olona izay vonona hanarina an’Antananarivo ary manaiky ny fisian’ny tanora vonona handray andraikitra lehibe sy feno.

 

Nandritra ny fotoana nametrahany ny dosie tao amin’ny birao dia nisy fotoana nangatahany mba ho ireo vehivavy no tena manotrona azy tao andamosiny. Heverina fa tian’ity kandida ity hisongadina amin’izao fihetsika izao fa matotra kokoa ny ezaka ary tsara ny vokatra rehefa ny vehivavy no mahazo ny sehatra fa tsy bodoin’ny lehilahy ny toerana. Tsapa tokoa hatramin’izay fa bodoin’ny lehilahy ny sehatra politika. Bodoin’ny lehilahy ve sa ny vehivavy no tsy miroso ? Tsapa fa efa miroso ny vehivavy satria misasaka ny isa raha ny kandida ho ben’ny tanana ao Antananarivo no zohina. Dimy ny kandida lehilahy ary dimy ny kandida vehivavy. Afaka mirehareha ireo mitolona ho an’ny miralenta fa tanteraka izany raha ny finiavana hiatrika fitsaram-bahoaka.

 

Omeo lanja sy toerana sahaza azy ny vehivavy


Iray amin’ireo mpandraharaha mirotsaka amin’ny sehatra politika i Harilala Ramanantsoa. Raha ny mpifaninana aminy dia misy tokoa mpandraharaha malaza eo amin’ny sehatra misy azy. Hivadika ho fitokisan’ny vahoaka ve ny fahafantaran’ny olona an’i Harilala mpikarakara Grande Braderie sa ho lasa sakana izany ? Fa efa mandeha ny fandrabirabiana fa ho ataon’ity kandida ity Braderie eto ny tanàna ! Ho hita eo ny hamaliany izany rehefa ho avy ny fotoan’ny propagandy. Ho hita eo koa ny fahasahiana hanao akanjo fotsy eny amin’ny La Réunion kely tena hifangarika mantsy ny loko fotsy sy ny lokon’ny fako…

 

Tantara mitohy ity dia hiarahana manaraka eto ny tohiny. Marihina fa araka ny vaovao re dia ny alarobia 20 mey no hivoaka ny lisitr’izay hahazo ny taratasy fanamarinana ny fametrahana dosie. Hatreto tokoa dia mbola taratasy fanamarinana vonjimaika no natolotry ny Ovec. Samia ho velon’aina e !