Nitety fokontany maro teny amin’ny boriborintany fahadimy sy fahaenina ny mpandraharaha, Harilala Ramanantsoa. Ny zoma faran’ny herinandro teo, nitsidika ireo fokontany tany amin’ny boriborintany fahadimy, toy ny Morarano Alarobia, Amorona, Ambavahadikazo, Vahilava, Soavimasoandro izy. Ary ny alatsinainy faha 22 jiona indray dia nandalo teny amin’ny boriborintany faha enina.
[embedplusvideo height= »450″ width= »1000″ editlink= »http://bit.ly/1GjnJOk » standard= »http://www.youtube.com/v/jo8vix9VZiM?fs=1″ vars= »ytid=jo8vix9VZiM&width=570&height=370&start=&stop=&rs=w&hd=0&autoplay=0&react=1&chapters=¬es= » id= »ep4995″ /]
Nitafa tamin’ireo mponina amin’ireo faritra roa ireo ny tenany. Namaky bantsilana ny olana mianjady amin’izy ireo ny isam-pokontany nandalovany. Raha bangoina fohy ny manahirana ireo mponina, ny faharatsian’ny lalana sy lalan-kely izay tondraky ny rano rehefa avy ny orana ary feno fotaka. Tsy ampy ny rano fisotro madio. Mijaly ireo vahoaka mipetraka eny amin’ny toerana iva. Manampy trotraka ihany koa tsy fahampian’ny toeram-pidiovana sy ny lavam-piringa. Sahirana tanteraka ireo vehivavy amin’ny fanasam-damba, izay mba asa fivelomany, noho ny tsy fisian’ny toeram-panasan-damba voatokana. Misavovona ny fako, miparitaka eran’ny tanana, miteraka loto sy aretina ho an’ny vahoaka. Izany rehetra izany no iainan’ny mponina andavanandro, lasa fahazarana sisa satria tsy misy mpijery no miaina amin’izany. Izay hamenoana ny kibo no atao vaindohan-draharaha. Mitovy amin’ny tsy misy mpitondra fanjakana ihany satria tsy ahitam-pivoarana eny anivon’ireny fokontany ireny. Na hidradradradra hamboraka ny marary azy aza ny mponina nefa tsy misy mihaino , zava-poana ihany izany. Nandritra ny fitsidihana nataon’ ity mpandraharaha vehivavy ity, nanazava ny tokony ataon’ ny rantsa-mangaika misahana ny fampandrosoana tamin’ireo fokontany izy. « Miainga amin’ny vahoaka ihany ny vahaolana raha te hanana fiainana mivoatra », hoy izy. Manatanteraka ny hetahetany avy eo ny mpitondra fanjakana. Tsy maintsy miara-miasa izy roa tonta raha te hahita fivoarana. Noho izany, ny fihainoana ny feon’ny vahoaka no tena fanalahidiny ny fampandroasoana.
Lynda A.
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.
Marcel Raveloarinanja liked this on Facebook.
Sandrine Ly Bernarson liked this on Facebook.
Kanto Andrianarivelo liked this on Facebook.
Journal Madagascar liked this on Facebook.
Journal Mada Madagascar liked this on Facebook.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.