Ambony ny taham-pahasitranana, ambany ny taham-pahafatesana. Bevohoka i Maman’i Raozy (solon’anarana nampitondraina azy ho fanajana ny safidny ny fianakaviana) kanefa voan’ny homamadian’ny nono. Kambana ny zaza ao an-kibony araka fizahana nataony tao Befelatanana. Renim-pianakaviana 40 taona izy. Efa ho herintaona no narary, fa tsy nahatsapa narary mihitsy talohan’izay. Efa nanomboka sempotra i Maman’i Raozy vao nanatona mpitsabo. Niafara tamin’ny fampidirana azy hopitaly izany ny volana mey 2022. Tao amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) Anosy izy no notsaboana. Nanao antso vonjy tao amin’ny tambazotran-tserasera ny fianakaviana fa tsy ampy ny enti-manana amin’ny fitsaboana toy ny fanafody hohanina isan’andro, fanaovana « scanner » miisa 4, izay mitentina 400.000 Ariary ny fanafody hanaovana ny iray. Teraka soamatsara izy saingy indrisy fa namoy ny ainy ny volana janoary 2023, araka ny filazany ny vadiny. Aorian’ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà dia aretina faharoa mahafaty eto Madagasikara ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza. Homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ny 50 % ny homamiadana tsaboana eny amin’ny hopitalim-panjakana, araka ny tatitra navoakan’ny Universcience. Homamiadan’ny nono ny 33,3 % amin’io tarehimarika io. 23.000 ny vehivavy tratry ny homamiadan’ny nono ny taona 2019, raha ny tarehimarika navoakan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. 40 taona eo ny salan-taonan’ny vehivavy mitondra ny homamiadana saingy efa misy latsaky ny 30 taona izany, raha ny marary raisin’i Dr Raherimanantsoa Anna na i Loloniala, mpitsabo nandalina ny fitsaboana amin’ny ankapobeny sy fitsaboana ala-nenina. Nanamafy izany ihany koa i ramatoa Matoky (solon’anarana nomena satria nisafidy ny tsy ho tononina ny tena anarany), 60 taona, nilahatra nanao « radiothérapie » tao amin’ny hopitaly Andohatapenaka, ny volana desambra 2022 fa izy irery no voan’ny homamiadanan’ny rà (lymphome) tamin’ireo vehivavy niara-nilahatra taminy. Voan’ny homamiadan’ny nono sy vozon’ny tranon-jaza ny enina hafa ary mbola misy tovovavy kely, mbola mpianatra, araka ny fanazavany.
Fitiliana maimaim-poana
Manaranaka ny homamiadan’ny nono. « Mila mailo, manao fitiliana raha toa ka misy fianakaviana efa voan’ny homamiadana tany aloha », hoy i hatrany i Dr Loloniala, teratany malagasy, monina atsy La Réunion izy fa manaramaso marary eto Madagasikara. Tonga teto Madagasikara ny tenany ary nikarakara hetsika izy, ny 23 novambra 2023, entina hanazavana ny homamiadana mpahazo ny vehivavy, ny fitrangany, ny fisorohana azy, ny fomba iadiana aminy, teknika hitsaboana azy ara-medikaly sy natoraly, ny fikoloana ny vatana na dia mitondra ny homamiadana sy ny tantsoroka ara-tsaina. Nohazavaina tamin’izany fa anisany mahatonga ny homamiadan’ny nono ny fisotroana alikaola, fifohana sigara, fitaniana andro be loatra, ny fahalotoan’ny tontolo iainana, akora simika (fanafody famonoana bibikely amin’ny voly), ny fisakafoanana anaty vilia plastika, araka ny fanazavany. Mila mailo hoy izy raha misy fiovàna ny habean’ny nono na misy fivontosana hafahafa na ahitana atody tarina (ganglion) ao amin’ny tenda, helika, kibo, foto-pe… Mila manatona mpitsabo raha misy rà mandeha, miova lokon’ny hoditry ny nono. Manampy amin’ny fahafantarana ny homamiadana ihany koa ny fanaovana « mammographie ». Manodidina ny 90.000 ka 150.000 Ariary ny sarany. Manao fitiliana maimaim-poana ny Fondation Akbaraly isaky ny October rose, volana natokana ho an’ny ady amin’ny homamiadan’ny nono. Ankoatra ireo ivon-toeram-pitsaboana miara-miasa aminy dia mitety ireo toerana saron-dalana, manomboka eto Antananarivo, Fianarantsoa, faritra Atsinanana, Mahajanga…
Azo sitranina
Aorian’ny fitiliana dia mila manao échographie fa indrindra ny biopsie ny vehivavy iray mba hamaritana ny selan’ny homamiadana, ny “stade”misy ilay homamiadana – na mbola atody tarina na efa tranga fahasarotana (métastase)- mba hamaritana ny fitsaboana mifanaraka amin’izany. « Azo sitranina tsara ny homamiadana raha mbola vao miatomboka, voatily mialoha ary tsy mbola mihanaka. Ny fandidiana no isorohana azy voalohany tsy hiparitaka », hoy i Dr Loloniala. Misy karazany maro ny fitsaboana ny homamiadan’ny nono ary mifameno ireo, raha ny fanazavany. Ankoatra ny fandidiana dia anatin’ny fitsaboana medikaly ny « chimiothérapie », « radiothérapie », « immunothérapie », « hormonothérapie ». Miteraka vokatra tsy iriana ireo fitsaboana ireo. Rehefa avy manao « chimiothérapie » ohatra dia mety hihena ny hery fiarovana, reraka , maloiloy sy mandoa, marefo ny hoditra na mety ho may mihitsy.
Lynda A/Ra-Nirina