Efa tara rehefa misy fambara ety ivelany. Nitondra marary tao amin’ny CSBII Ambalavato Antsirabe i Saholy Celestine, ny alarobia 30 oktobra 2024, tamin’ny 3 ora tolakandro. Nanatona azy ny rasazy iray manao aron’akanjo manga ary nanentana azy mba hanao fitiliana satria azo tsaboina tsara ity aretina mpahazo ny vehivavy ity raha voatily mialoha sy voaray an-tanana mialoha. Tsy nisalasala izy fa tonga dia niroso tamin’ny fitiliana. Nikarakara fitiliana maimaim-poana momba homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy nono rahateo CSBII Ambalavato tamin’io fotoana io ho fanamarihana ny “oktobra mavokely”, hetsika iraisam-pirenena fanao isan-taona hanentanana ny vehivavy hanao fitiliana momba ny homamiadan’ny nono. Roa andro no nanaovana izany, nanomboka ny 29 oktobra ary nifarana ny 30 oktobra 2024. Nanampy tamin’ny fanatanterahana izany ny Marie Stopes Madagascar (MSM). “Nirisika hanao fitiliana aho mba ijereko ny toe-pahasalamako satria aretina mpahazo ny vehivavy rehetra ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza”, hoy i Saholy Celestine, 44 taona. Iray minitra aorian’ny fitiliana dia fantatra ny valiny. Anisan’ireo tobim-pitsaboana fototra mandray an-tanana ireo vehivavy mitondra ratra ao anatin’ny vozon’ny tranon-jaza mety ahiana hivadika homamiadana ny CSBII Ambalavato. “ Hita fa efa liana kokoa ny vehivavy hanao fitiliana momba ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Hita fa mavitrika kokoa raha eto amin’ity tobim-pahasalamana ity satria eto sady misy ny fitiliana sy fandraisana an-tanana ireo olona ahiahiana ho mitondra ratra mety ahiana hivadika homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza.”, hoy i Ravelojaona Mbolamasoandro, tomponandraikitra manao fitiliana ny homamiadianan’ny vozon’ny tranon-jaza sy tomponandraikitra eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka manazava ny fahavitrihan’ny vehivavy manao fitiliana momba ity aretina ity, raha eo amin’ny sehatra nasionaly sy ny zavamisy ao amin’ny CSBII Ambalavato.
Nambaran’i Ravelojaona Mbolamasoandro fa mpahazo ny vehivavy rehetra ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. “Izay vehivavy rehetra niroso tamin’ny firaisana ara-nofo na indray mandeha monja teo amin’ny androm-piainana dia ahiana hitondra ny aretina ka tokony hanao fitiliana”, hoy izy. Nilaza izy fa “taloha ny ministera nametraka fa eo amin’ny 25 ka hatramin’ny 49 taona no tsara tiliana ny vehivavy satria eo matetika no tonga any amin’ny homamiadana”. “Efa miroso aloha be izany amin’izao satria efa mahita hatrany amin’ny 17 taona. Noho izany vao manomboka manao firaisana ny vehivavy dia tsara manao fitiliana”, hoy izy. Aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, avy amin’ny tsimokaretina “papillomavirus”(HPV), ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, araka ny fanazavany. Ny fitiliana ihany no ahafantarana fa mitondra azy ny vehivavy iray. “Tsy hita soritra ety ivelany fa misoko mangina. Tsy misy fambara fa matoa izy misy fambara dia efa tara. Iny olona salama tsara iny mety ahiana mitondra dia aleo misoroka satria azo sorohana tsara ary rehefa hita mialoha dia azo tsaboina”, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra manao fitiliana homamiadianan’ny vozon’ny tranon-jaza hatrany. Marihina fa mamono vehivavy betsaka indrindra eto Madagasikara ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza. Mitana ny laharana voalohany ny homamiadan’ny nono, aorian’izay ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Raha tarehimarika tamin’ny taona 2018, tombanana ho 7 % amin’ireo vehivavy 100 atao fitiliana momba ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, mandritra ny hetsika oktobra mavokely no voa, amin’ny ankapobeny.
Lynda A.