INSTITUT SUPERIEUR DE GESTION ACEEM : Noraisin’ny orinasa Manda SA hanao « stage » ireo sangany tamin’ny andiany Iavosoa.

Mpianatra 120, taona faharoa sy fahatelo ao amin’ny sampam-pianarana  ambony momban’ny fitantanana no nozarain’ny Ministeran’ny fampianarana ambony  Diplaoma DTS sy Licence. Ny Institut Supérieur de Gestion Aceem no namoaka ireto andiany  Iavosoa  2017 ireto. Nambaran’ny Talen-tsekoly Richard RAMANAMBITANA  fa  manoloana izao fahasahiranan’ny firenena izao dia  ho anisany  hampiroborobo ny toe-karenan’i Madagasikara   ireto teknisiana ireto. Izany indrindra no antony nisafidianana ny anarana “Iavosoa”.

 Etsy ankilany, tsy diso safidy ny andiany Iavosoa nisafidy an-dRamatoa Bakoly RAZAKANAVALONA, Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa mpanondrana ny hazandranomasin’i Madagasikara mankany ivelany Manda S.A ho reny mpiahy azy ireo. Anisany vehivavy mpandraharaha Malagasy fitaratra tokoa izy. Porofon’izany, ny naha voafidy azy indray ho vehivavy mpandraharaha manerantany eo amin’ny laharana fahafito.

 Tsy tahaka ity indray mitoraka ity satria  ankoatra ny fanomezana fianaran’asa handraisan-karama dia nanolotra lelavola  500.000 Ariary ho an’ireo  telo mirahavavy sangany tamin’ity andiany ity ny tenany.

Ny zoma 26 may 2017 teo no notontosaina teny amin’ny Residence Mendrikoholovana Alasora ny lanonana ara-panjakana namoahana tamin’ny fomba ofisialy  ny andiany Iavosoa.