Taorian’ny fivoriana nataon’ i Pr James Ratsimba niaraka tamin’ireo solombavambahoaka manohana ny hamerenana ireo Nosy kely manodidina an’i Madagasikara, Iles Eparses, dia nihaona tamin’ny mpanao gazety indray izy. Nambarany fa “ tsy hihemotra , tsy hivadika amin’izay nolazainy ary tsy maintsy mandresy ny fitakiana ataony ho an’ny tanindrazana”. Nohantitranteriny fa hitohy foana ny tolona na dia misy mandrahona aza ary tsy ho voavidy vola izany izy. Araka ny filazany, nisy nanatitra vola mitentina 500.000 Euro tany an-tranony izy. Fanampenam-bava azy io vola io izay karana no naniraka io olona io, hoy izy.
Tsy ireo Nosy ireo ihany no takiany hiverina amin’ny Malagasy fa ny tena fahaleovan-tena mihitsy. “Tsy mbola mahaleo tena izany isika satria mbola mihaodihaody eto ihany ireo mpanjanaka. Misy mihitsy aza Malagasy manaiky ataon’izy ireo fitaovana hahazoana ny tanindrazana”, hoy hatrany izy. Nambarany fa manana porofo amin’izany izy ary ny fialan’ireo bolokim-bazaha ireo no hampilamina ny rafitra eto.
Nomarihany fa manan-karena tokoa isika saingy ny vahiny no mitsetsitra izany. Manampy trotraka ihany koa ny fitiavan-tena sy fitiavam-bolan’ireo mpiray tanindrazana amintsika.”Mila miala eto avokoa ireo rehetra ireo ary mitaky izany izahay”.
Ho loza no hanjo raha tsy tanteraka izany. Amin’izao fotoana izao, misy orinasa iray eto amintsika mikasa hanondrana vato hanamboarana lalana atsy La Réunion milanja 200.000.000 taonina, hoy izy. “Hamidy amin’ny vidiny ambany dia ambany izany”.
Noho izany, mitaky ny fialan’ny bolokim-bazaha, ny orinasa vahiny manambaka ny firenena, fanovana ny rafi-pampianarana eto ny tenany sy ireo mpiara-dia aminy.
Lynda A.
Zouzie Lezo liked this on Facebook.
Liva Rakotoarijaona liked this on Facebook.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.
Holijaona Raboana liked this on Facebook.
Gona Mamonjy liked this on Facebook.