James RATSIMA: Tsy hihemotra na misy mandrahona aza.

Taorian’ny fivoriana nataon’ i Pr James Ratsimba niaraka tamin’ireo solombavambahoaka manohana ny hamerenana ireo Nosy kely manodidina an’i Madagasikara, Iles Eparses,  dia  nihaona tamin’ny mpanao gazety indray izy. Nambarany  fa  “  tsy hihemotra , tsy hivadika amin’izay nolazainy ary tsy maintsy mandresy ny fitakiana ataony ho an’ny tanindrazana”. Nohantitranteriny fa hitohy foana ny tolona na dia misy mandrahona aza ary tsy ho voavidy vola izany izy. Araka ny filazany, nisy nanatitra vola mitentina 500.000 Euro tany an-tranony izy. Fanampenam-bava azy io vola io izay karana no naniraka io olona io, hoy izy.

 Tsy ireo Nosy ireo ihany no takiany hiverina amin’ny Malagasy  fa ny tena fahaleovan-tena mihitsy. “Tsy mbola mahaleo tena izany isika satria mbola mihaodihaody eto ihany ireo mpanjanaka. Misy mihitsy aza Malagasy manaiky ataon’izy ireo fitaovana hahazoana ny tanindrazana”, hoy hatrany izy. Nambarany fa  manana porofo amin’izany izy ary ny fialan’ireo bolokim-bazaha ireo no hampilamina ny rafitra eto.

 Nomarihany fa manan-karena tokoa isika saingy ny vahiny no mitsetsitra izany. Manampy trotraka ihany koa  ny fitiavan-tena sy fitiavam-bolan’ireo mpiray tanindrazana amintsika.”Mila miala eto avokoa ireo rehetra ireo ary mitaky izany izahay”.

Ho loza no hanjo raha tsy tanteraka izany. Amin’izao fotoana izao, misy orinasa  iray eto amintsika  mikasa hanondrana vato hanamboarana lalana atsy La Réunion milanja 200.000.000 taonina, hoy izy. “Hamidy amin’ny vidiny ambany dia ambany izany”.

Noho izany, mitaky ny fialan’ny bolokim-bazaha, ny orinasa vahiny manambaka ny firenena, fanovana ny rafi-pampianarana eto ny tenany sy ireo mpiara-dia aminy.

Lynda A.