JMJ MADA 10: Manentana ny tanora namany hanavaka ireo karazana fako sy hamboly hazo ireo mpilatsaka an-tsitrapo

“ Ndao hamboly hazo, c’est l’heure. Rehefa tsy zaka, Chaleur”.   Santionany tamin’ny fanentanana ara-tontolo iainana nataon’ireo mpilatsaka an-tsitrapo  tao amin’ny toeram-pandraisana mpivahiny Notre Dame d’Annonciation  (NDA) tamin’ny andro faharoan’ny JMJ MADA andiany faha-10 ireo fehezanteny ireo. Ho famporisihina ny tanora hamboly hazo ny dikan’io fanentanana io satria mitàna anjara lehibe amin’ny fisintonana ny etona mangeja hafanana na “gaz à effet de serre” (GES)  ny hazo.  Ny fiakaran’ny tahan’io GES io no mahatonga ny fiakaran’ny maripana sy fiovan’ny toetrandro. Anisany mahatonga ny GES mitombo ihany koa ny fako  plastika. Manoloana izany dia nanentana sy nanoro ireo tanora manao fivahinianana masina eto Antsirabe ireo  mpilatsaka an-tsitrapo  hanavaka  ny fako plastika, taratasy sy fakon-tsakafo . “Ampiana zareo hanavaka ny fako plastika, ny poti-bary sy taratasy satria taloha rehefa manary fako dia ariana miaraka fa rehefa natoro zareo hoe mbola misy fako azo ahodina zavatra hafa dia resy lahatra zareo”, hoy Andriaherantsoa Najoro, mpilatsaka an-tsitrapo. Avy amin’ny fikambanana Mahatsangy i Najoro.  Miara-miasa amin’ny “coopération allemande” na GIZ ny fikambanana misy azy satria mitovy ny tanjona dia ny fiarovana ny tontolo iainana. Nasiana karazana daba-pako  ahafahana manavaka ireo fako isaky ny toeram-pandraisana vahiny ary  hiara-hiasa amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy ny Vovonam-pirenena Katolikan’ny Tanora (VPKT) aorian’ny JMJ amin’ny fanodinana ireo fako  voaangona. “Mitondra aim-panahy ho an’ny  mpivahiny ny JMJ fa ho anay mpilatsaka an-tsitrapo dia mitondra hasambarana misimisy kokoa ho anay manampy ny tanora amin’ny maha mpiara-belona”, hoy Andrierantsoa Najoro nanazava ny antony nahatonga azy ho mpilatsaka an-tsitrapo nandritra ny JMJ. Mpilatsaka an-tsitrapo 600 no nofaninana mialohan’ny  JMJ MADA 2022. Ny fandaharana PAGE 2 / GIZ no nampiofana azy ireo  momba ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetrandro  ary izy ireo indray no nampita ny hafatra tamin’ireo mpivahiny maherin’ny 30.000 eto Antsirabe.

Lynda A.

Horonan-tsary