JMJ MADA 10 : Mpilatsaka an-tsitrapo 600 nanadio ireo « site d’accueil » sy Antsahatanteraka nanaovana ny lamesa famaranana

Efa misy mpandray ireo fako azo ahodina. Madio tanteraka ireo « site d’accueil » nandraisana ireo mpivahiny sy  Antsahatanteraka, toerana nanaovana ny lamesa famaranana ny andro manerantany ho an’ny tanora natao teto Madagasikara  andiany faha-10 (JMJ MADA X).  Mpilatsaka an-tsitrapo miisa 600 no nifarimbona nanadio sy nanangona ireo fako ary nanavaka ireo fako azo ahodina ny ampitson’ny lamesa fanirahana. 500 ny mpilatsaka an-tsitrapo avy ao amin’ny diosezin’ Antsirabe nanadio ireo toeram-pandraisana mpivahiny miisa 16. Mpilatsaka an-tsitrapo nasionaly miisa 100 kosa no niara-nanadio an’Antsahatanteraka. Noho izany, hivantana efitran-tsekoly madio ireo mpianatra mianatra amin’ireo sekoly nandraisana mpivahiny.  Gony lehibe  miisa 1500 no nomanin’ny fandaharan’asa PAGE 2 an’ny GIZ, mpanohana ny JMJ MADA 10 tamin’ny lafiny ara-tontolo iainana,  hanangonana ireo fako. Natokana ny fako taratasy, ny poti-tsakafo ary ny plastika. Efa misy mandray avy hatrany ireo fako azo ahodina. Tsiahivina fa anisany novoizina nandritra ny fivahinianana masina natao tao Antsirabe ny 30 aogositra ka hatramin’ny 04 septambra 2022 ny fikajiana ny tontolo iainana, araka ny hafatr’i Papa Fransoa tamin’ny alalan’n “Laudato Si”.  Nanohana ity andiany faha-10 ity ny fandaharan’asa PAGE 2 an’ny GIZ tamin’ny alalan’ny fampiofanana mpilatsaka an-tsitrapo miisa 600 momba ny fanentanana ara-tontolo iainana, talohan’ny JMJ MADA X. Izy ireo indray no nampita izany sy nanentana ireo tanora namany miisa 30.000 tonga nanatrika ny JMJ tao Antsirabe.

Lynda A.