Mbola mitohy ny marainan’ny 31 aogositra 2022 ny fandraisana ireo mpivahiny avy amin’ny lafivalon’ny Nosy handray anjara amin’ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny tanora eto Madagasikara (JMJ MADA). Tanora maherin’ny 30.000 avy amin’ny diosezy manerana ny faritra 23 no andrasana ho avy eto Antsirabe. Vinavinaina ho fiara miisa 1200 no hitatitra azy ireo, araka tarehimarika nomen’ny tomponandraikitry ny Vovonam-pirenena Katolikan’ny Tanora (VPKT). “Azo lazaina fa efa milamina ny fanomanana” ho an’ny toeram-pandraisana mpivahiny (site d’accueil) ao amin’ny Sacré Cœur Tsaravavaka, araka ny fanazavan’ i Masera Agnes, tomponandraikitra ao an-toerana. “Efa vonona ny trano sy ny mpahandro sakafo”, hoy izy. Mandray mpivahiny miisa 700 ity “centre d’accueil” ity. Tanora avy amin’ny diosezy maro toy an’i Toamasina, Mahajanga, Fianarantsoa, Toliara, Antananarivo ary Antsirabe izy ireo.
Raha ny tarehimarika nomen’i Masera Agnes ny 30 aogositra 2022 tamin’ny 8 ora alina dia efa tonga ao an-toerana ny 80 %n’ireo mpivahiny ireo. Ny avy any Fianarantsoa sy Toliara sisa no andrasana.
Lynda A.