JMJ MADA X: Miantso ny tanoran’i Madagasikara ny hanova tantara manomboka amin’ny fandalinana fifandraisana maha olona sy fitandroana tontolo iainana

 « Mitsangàna fa ho ataoko vavolombelona amin’ny zavatra hitanao ianao ». Io no lohahevitra nosafidiana ho dinihina mandritra ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny tanora atao eto Madagasikara (JMJ MADA). Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny harivan’ny  31 aogositra 2022 tamin’ny alalan’ny sorona Masina teny amin’ny kianja seminera Mandaniresaka Antsirabe izany. Novakiana  tamin’io fotoana io ny  hafatr’i Papa Fransoa ho an’ny tanora mandray anjara amin’ny JMJ MADA andiany faha-10. « Mitsangàna fa ho ataoko vavolombelona amin’ny zavatra hitanao ianao. Teny nataon’i jesoa tamin’i Paoly tamin’ny andro nibebehany izany. Lohahevitra nofidianareo ho dinihina manoloana ny zavatra atrehina amin’ny lafiny ara-tsosialy, ara-pitondrantena, ara-toekarena, tontolo iainana mba hatonga ny eglizy eto Madagasikara havitrika kokoa hatrany sy handrafetana fiarahamonina fatra-panaja ny hasina maha olona io. Manasa anareo amin’ny fanantenana aho:

Mitsangàna ianao », hoy i Papa Fransoa. Taorian’ny krizy ara-pahasalamana miatrika ny fiantrainkany ady any Ukraine sy vokatrin’ ny rivodoza nifanesy indray i Madagasikara. Manasa ny tanora mba tsy ho resin’ ny fisalasalana, mba hanana vinavina sy hiasa, hanana fijery feno  fahatokisana ny ho avy i Papa Ray Masina. « Tsy ho tanteraka izany raha tsy mandray andraikitra hanorina tontolo vaovao », hoy izy. Afaka atao hoy izy ny manova tantara rehefa manana finoana sy mandray andraikitra manomboka amin’ny  fandalinana ny fifandraisana maha olona sy fitandroana tontolo iainana. Miantso ny tanora Malagasy ihany koa  i Papa Fransoa: « Aza avela ny  hafa no mandray anjara hitondra fiovàna mialoha anareo. Ianareo no tompon’ny ho avy, amin’ny alalanareo  no hidiran’ny ho avy. Ho mpiantsehatra hanorina fiarahamonina vaovao ianareo raha mampifanaraka ny  fiainanareo amin’ izay atoro amin’ny  fiainana krisitiana sady  miaraka amin’ny fandresendahatra miorina amin’ny evanjely sy fisokafana  amin’ny hafa. Rehefa izay dia hitondra soa amin’ny lafiny maro amin’ny  firenenanareo ianareo ». Nohamafisiny fa « ny fomba fiaina miorina amin’ny fifankatiavana  mipaka amin’Andriamanitra no fanafody manasitrana ny ratrapon’olombelona ».

Lynda A.