KANDIDA HO FILOHAM-PIRENENA: Foanana ny andrim-panjakana mandany vola

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy i Arlette Ramaroson fa ho isan’ny kandida  ho fidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena 2018. Mpitsara iraisam-pirenena nandritra  15 taona ny tany Rwanda ny tenany. Niverina nitodi-doha teto an-tanindrazana izy  ny taona 2016. “Mahatsapa ny tenako fa manana andraikitra hanala ny vahoaka Malagasy ao anaty fahantrana. Raha 30% ny tahan’ny fahantrana tamin’ny taona 1960, efa niakatra 90% izany amin’izao fotoana. Hitondra ny anjara birikiko amin’ny fanenana izany aho. Nanapa-kevitra ny hilatsaka ho fidiana filoham-pirenena aho mba hanantanterahana ireo vinam-piarahamonina hanarenana an’i Madagasikara”, hoy i Arlette Ramaroson, Filohan’ny Vovonana Tia Tanindrazana ho an’ny fanarenana an’i Madagasikara.

Ovaina ny rafitra

Hatontona any amin’ny fanatsarana  ny fahasalamam-bahoaka, fanabeazana, ny sosialim-bahoaka ny vola rehetra lany amin’ny fampiodinana ny Antenimierandoholona. “Ho foanana io andrim-panjakana io ary ho ampiasaina hampidirana ny  zaza Malagasy rehetra an-tsekoly, hanampiana ny hopitalim-panjakana ka ho maimaim-poana ny fitsaboana rehetra ny  volabe miodina ao”, hoy izy.  Ao anatin’ny vinam-piarahamonina ho tontosain’ny vovonana  rehefa tonga eo amin’ny fitondram-panjakana ihany koa ny  fanovana ny  rafitra eto amin’ny firenena. “Apetraka ny tetikasa miainga any amin’ny fokontany. Aorian’ny faneken’ny rehetra ny sarin-tany ara-toekarena  vaovao an’i  Madagasikara, hitsangana ny  faritra mizaka tena (région autonome)  na ara-pitantanana na ara-bola. Ho rava ny faritany enina teo aloha”.