KANDIDA TIM – RADO RAMPARAOELINA: “Aleo ny vato hikambana aty amin’ny laharana faha-3”

Moramora kokoa ny hahazoana famatsiam-bola rehefa atokisan’ny mpamatsy vola. Mbola tsy mivaly akory ny fifidianana dia efa misy mpiara-miasa amin’ny kaominina Ampitatafika mitady fiarahamiasa. Nambaran’ny kandida ho ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina, taorian’ny fotoam-pivavahana natao teny amin’ny Ekar masimbavy Cécile Tangaina nanombohana ny fampielezan-kevitra  fa hanome solosaina maimaim-poana an’ny kaominina io mpiara-miasa io ary Ampitatafika irery no voafidy hahazo izany eto amin’ny faritra Analamanga. Nilaza ihany koa ity kandida avy amin’ny antoko TIM (Tiako i Madagasikara)  ity fa resy lahatra ny mpiara-belona tamin’ny fitantanana mangarahara noezahina napetraka tao anatin’ny 11 taona nitantanana ny kaominina. Ho an’ny kandida laharana faha-3 ao Ampitatafika dia mifantoka amin’ny fanabeazana ny vinam-piarahamonina ho tanterahiny amin’ny fotoam-piasana manaraka. “Hohavaozina ny EPP Ambohibary, tsy maintsy vita amin’ny taona 2020. Ho atomboka ihany koa ny fanamboarana  ny tokontanin’ny EPP ho pavé na  beton na goudron”, hoy izy. Ankoatra izany, mbola ho tohizana ny fanomezana famporisihana ny mpianatra amin’ny fanadinana ofisialy bakalorea. “Tao anatin’ny telo taona, izay major amin’ny fanadinana ofisialy dia nomena iray tapitrisa Ariary ary 700.000 Ariary ny laharana faharoa. Amin’ny fetim-pirenena no hizarana ny manaraka  raha sitrapon’Andriamanitra ka tafapetraka eo amin’ny toeran’ny ben’ny tanàna”.

Vinavinaina ho 90% ny tahan’ny vato ho azon’ny kandida TIM Ampitatafika raha toa ka 65 % izany tamin’ny 2015. “Tamin’ny 2015 dia biraom-pifidianana tao amin’ny fokontany iray ihany no naharesy anay.  Vato 23 no elanelana.  Teo amin’ny fokontany 12 amin’ny 13 mpandresy foana izay ary  ho lasanay tanteraka ny 13 amin’ny 13”, araka ny fanambarany. Manentana ny vahoaka izy mba hifidy ny efa hatokisan’ny mpamatsy vola satria fampandrosoana no tadiavina. “Aleo ny vato hikambana aty amin’ny laharana faha-3 (kandida ben’ny tanàna) sy ny laharana faha-2 (kandida mpanolontsaina) an’ny TIM satria ireo kandida hifaninana ireo anie tsy ho lany e”. Nanamafy ihany koa ny tenany fa tsy tokony ho avotsotra ny famatsiam-bola efa eo “am-bavahady” satria hahazo tombontsoa ny kaominina Ampitatafika amin’ny maha filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny IPAM (Ivo fanajariana an’Antananarivo sy ny manodidina)  azy izay misy vola telo tapitrisa euros. Fanampin’izay, misy tetikasa lehibe ho tanterahina amin’ny taona ho avy amin’ny maha filoha lefitry ny tetikasa TATOM an-dRamparaoelina Rado.

Lynda A.